Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 91

Jehovah no Raiko sy Namako

Jehovah no Raiko sy Namako

(Hebreo 6:10)

1. ’Zao aho dia osa tokoa,

Mora misento sy mitaraina,

Nefa ny fiainako aloha

Dia tsy mba very maina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho tsy mba irery,

Satria eo foana i Jehovah.

Tsy mba tsy marina izy,

Hanadino fa tia azy aho.

Miahy sy miaro izy,

Ka manome ahy izay ilaiko.

Raiko izy, Namako izy,

Ka hoderaiko.

2. Lasa ny hatanorana.

Ny andro mahory mampitoloko.

Nef’aho be fanantenana,

Tsy mihena ny finoako.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho tsy mba irery,

Satria eo foana i Jehovah.

Tsy mba tsy marina izy,

Hanadino fa tia azy aho.

Miahy sy miaro izy,

Ka manome ahy izay ilaiko.

Raiko izy, Namako izy,

Ka hoderaiko.

(Jereo koa ny Sal. 71:17, 18.)