Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 123

Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

(Efesianina 4:8)

1. Nomen’ny Ray mpiandraikitra isika:

’Reo mpiandry tena tia.

Izy ireo no modely ho antsika,

Mitarika ny dia.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

Lehilahy ’zay azo itokiana.

Ireo no miahy ny ondry tsirairay,

Ka tokony hankamamiana.

2. Miahy ’zay manjo antsika tokoa

’Reo tena mpiandry tsara.

Ny ondry maratra tsaboiny koa,

Eo izy hikarakara.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

Lehilahy ’zay azo itokiana.

Ireo no miahy ny ondry tsirairay,

Ka tokony hankamamiana.

3. Mampianatra izy ’reo ka manitsy,

Miaro ny finoantsika.

Atorony izay lala-mahitsy,

Mba tsy ho very isika.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mpiandry nomen’i Jehovah Ray,

Lehilahy ’zay azo itokiana.

Ireo no miahy ny ondry tsirairay,

Ka tokony hankamamiana.