Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 94

Mahaiza Mianina Amin’ireo Fanomezan’Andriamanitra

Mahaiza Mianina Amin’ireo Fanomezan’Andriamanitra

(Jakoba 1:17)

1. Diniho ’reo fanomezana

Atolotry ny Ray,

Fa tonga lafatra tokoa,

Ho antsika tsirairay.

Omeny antsika avokoa

Izay rehetra ilaina.

Tsy miovaova anie Jehovah,

’Lay Loharanon’aina.

2. Jehovah no mamelona

Ny vorona eny an-tsaha;

Koa mainka fa ny olony,

Tsy tokony hanahy!

Isika mahay mianina,

Tsy mihary zava-poana;

Fa manatsotra fiainana aza,

Kanefa faly foana.

3. Izay heverin’ny olona

Ho sarobidy ’zao

Dia tsinontsinona avokoa,

Ho simba sy ho lao.

Fa ny harena ara-panahy

No tsy mba mety lany.

Manàna maso tsotra foana,

Mianìna amin’izany.