Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 110

Mahatalanjona ny Asan’Andriamanitra

Mahatalanjona ny Asan’Andriamanitra

(Salamo 139)

1. Ianao mandinika ahy, Jehovah.

Hitanao aho, na mandry na mifoha,

Ka fantatrao ny alehako rehetra,

’Zay ao an-tsaiko sy ’zay

tiako hambara koa.

Na dia vao noforonin’aza aho

Dia hitanao, tsy nisy niafina.

Midera anao noho ny fahaizanao aho,

Fa mahagaga ka

tsy hay tahafina.

Mampiaiky ahy tokoa ny fahalalanao,

Mahatalanjona ny asanao.

Matahotra ny haizina aho indraindray,

Soa fa eo foana ny fanahinao.

Aiza no handosirako anao?

Hitanao aho na any ambany tany,

Na dia hankany an-tendrombohitra aza,

Na any an-dranomasimbe ’zay lavitr’any.