Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 97

Mahereza, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

Mahereza, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

(2 Timoty 4:5)

1. Tombontsoa ny fanompoantsika,

Mitondra fifaliana.

Fitiavana no anaovantsika

Ny asa fitoriana.

Torio àry ’lay Fanjakana,

Miezaha mba hazoto hatrany.

Ny anaran’i Jehovah Tompo

Ho fantatra maneran-tany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.

2. Ny mpanara-dia an’i Kristy,

Manompo amin’ny fo,

Ka sady mikely aina izy

No miandrandra valisoa.

Tsarovy fa ny olon-drehetra

No tokony mba hitoriana.

Tsy misy atahorana ’nefa,

Jehovah hanome fanampiana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.

3. Koa miara-manompo isika,

Na kely na lehibe.

Mazoto ireo ondry vitsy,

Eo koa ny vahoaka be.

Tandremo ny fitondran-tena,

Ho mendrika foana hatrany.

Fa masina ny fanompoana,

Tsy hoe fahazarana ihany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mahereza mba ho sahy

hitory ’lay Fanjakana.

Mahereza, eny, aza miala

amin’i Jehovah.