Hira 119
Mamelombelona Antsika Ireo Fivoriana
1. Feno faharatsiana ity tontolo ity,
’Reo fakam-panahy mifanesy.
Mila fanampiana àry ’sika satria
Raha toa miady ’rery ho resy.
Ireo fivoriana, fiarovana hatrany
Mba tsy hihena ny finoantsika.
Mandrisika amin’ny asa tsara izany,
Sy mamelombelona antsika.
I Jehovah mantsy no mandidy hoe:
Mandehana foana mivory.
Isika raha miezaka hanatrika anie
Tsy handao ny marina akory.
ndry ianao,
2. Raha mahay mandamina sy heDia hanararaotra fotoana.
Fantatr’i Jehovah izay tena ilainao,
Koa miezaha mba hivory foana.
Eo ny fampianaran’ny anti-panahy,
’Zay manampy sy mampahery.
Eo koa ny fitiavan’ireo rahalahy,
Ka isika tsy mba irery.
Ilay valisoa dia tsy lavitra intsony,
Efa akaiky ny fitahiana.
Koa manehoa fahendrena avy any ambony,
Atreho àry ireo fivoriana!
(Jereo koa ny Sal. 37:18; 140:1; Ohab. 18:1; Efes. 5:16; Jak. 3:17.)