Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 12

Mampanantena Fiainana Mandrakizay i Jehovah

Mampanantena Fiainana Mandrakizay i Jehovah

(Salamo 37:29)

1. Jehovah mampanantena,

Hisy Paradisa indray.

Ny olona manetry tena

Hiaina mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Azo antoka izany,

Banjino hatrany.

Ianao koa mifalia,

Fa hiaina ho doria.

2. Hilamina indray ny tany,

Isika ho lavorary.

Jehovah no hanao ’zany,

Hiadana ny voary.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Azo antoka izany,

Banjino hatrany.

Ianao koa mifalia,

Fa hiaina ho doria.

3. Tsy hisy ’ntsony tomany,

Ho foana koa ny taraina.

Na dia ireo nodimandry

Mbola ho velon’aina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Azo antoka izany,

Banjino hatrany.

Ianao koa mifalia,

Fa hiaina ho doria.