Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 4

Manàna Laza Tsara eo Anatrehan’Andriamanitra

Manàna Laza Tsara eo Anatrehan’Andriamanitra

(Mpitoriteny 7:1)

1. Ampiasao tsara Ny andro iainanao.

Ho tsara laza, Ho mendrika ianao.

Miezaha ho marina, Ho faly Jehovah.

Hotahiny ianao, Ho sambatra.

2. Mandalo ihany ’Zao fiainana izao,

Ka zava-poana Raha te halaza ianao.

Raha lasa namanao Izao tontolo izao

Dia tsy ho tian’i Jehovah ianao.

3. Ao amin’ilay Bokin’ny fiainana

Ny anaran’ireo ’Zay tian’i Jehovah.

Raha tsara laza ianao Dia ho voasoratra ao

Ho mandrakizay Ny anaranao.