Hira 39
Manana Fiadanana Isika
1. Jehovah Andriamanitra
Mampanantena
Fa mbola hitsahatra
Ny ady rehetra.
Kristy no Andrianan’ny
Fiadanana,
Ny olom-peheziny
Dia ho sambatra.
2. Tia fihavanana isika
Mpianatr’i Kristy,
Mifamela heloka
Sy mifankatia.
Koa miezaha mba tsy hanao
Teny masiaka.
Ny fiadiana avelao,
Aleo mihavana.
3. Aza dia matahotra
Na kivy intsony,
Mangataha fahendrena
Avy any ambony.
Aok’ianao hivavaka
Vokatry ny fo,
Dia homen’i Jehovah
Fiadanam-po.
(Jereo koa ny Sal. 46:9; Isaia 2:4; Jak. 3:17, 18.)