Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 45

Mandrosoa Hatrany!

Mandrosoa Hatrany!

(Hebreo 6:1)

1. Mandrosoa, hatsarao ny fanompoanao,

Fa tian’i Jehovah mba ho matotra ianao.

Ary ampitomboy ny fahaizanao,

Handray fitahiana ianao.

Ho an’ny rehetra io asa io,

Momba anao Jehovah, tadidio.

Asan’i Kristy io, ka ankamamio.

Ny mihemotra fadio.

2. Mandrosoa, mazotoa, aok’ianao ho sahy!

Itorio ny vaovao tsara ny olon-drehetra.

Mandehana isan-trano n’aiza n’aiza,

Ka derao i Jehovah.

Na dia maro aza ireo tsy tia,

Aza kivy ianao, mitoria

Fa manjaka Jehovah, ka mifalia.

Mahereza, matokia.

3. Mandrosoa foana dia ho afa-po ianao!

Hatsarao ny asanao fa mbola be ny hatao.

Ny fanahin’i Jehovah no angataho,

Izy hampahery anao.

Ireo liana rehetra jereo,

Ka tsidiho, ampianaro avy eo.

Ny hanohina ny fony no kendreo,

Mba handroso izy ’reo.

(Jereo koa ny Fil. 1:27; 3:16; Heb. 10:39.)