Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 17

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

(Lioka 16:16)

1. Vavolombelon’i Jehovah isika,

Ka vonona hiaro ny fahamarinana.

Na tezitra mafy Satana

Dia hanampy antsika i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry Vavolombelona, andao mandrosoa!

Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

Torio fa akaiky ny Paradisa izao,

Hanome fitahiana ho anao!

2. Miavaka ny miaramilan’i Kristy,

Satria tsy mba tia an’ity tontolo ity.

Miezaha hadio fitondran-tena,

Tsy hivadika sy hanetry tena.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry Vavolombelona, andao mandrosoa!

Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

Torio fa akaiky ny Paradisa izao,

Hanome fitahiana ho anao!

3. Miorina ny Fanjakan’i Jehovah,

Kanefa nolavin’ireo firenena.

Koa hambarantsika eran-tany,

Ny anarany sy ny Fanjakany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry Vavolombelona, andao mandrosoa!

Ny asan’ny Tompo ataovy amin’ny fo.

Torio fa akaiky ny Paradisa izao,

Hanome fitahiana ho anao!