Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 58

Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

(Matio 22:37)

1. Ho anao ny foko izao,

Ho tia sy hanompo anao;

Ka ny saiko manontolo

Dia homeko anao daholo.

2. Ho anao ny tanako,

Ho anao ny tongotro.

Na ny feoko aza moa,

Hiderako anao tokoa.

3. Intỳ aho hanompo anao

Ary hanao ’zay sitrakao;

Ka ny fiainako rehetra,

Ho anao tsy misy fetra.