Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 30

Manomboka Manjaka i Jehovah

Manomboka Manjaka i Jehovah

(Apokalypsy 11:15)

1. Fotoana miavaka izao. Aoka ho faly ianao,

Satria nandray fitondrana i Kristy.

Koa asandrato ny feo, Ny Fanjakany ekeo,

Fa efa eo ’lay Vato Fehizorony.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Inona moa no fitahiana

Hoentin’ilay Fanjakana?

Ny zava-tsoa sy fifaliana

Ao amin’ny Paradisa.

Derao Jehovah Mpanjaka,

Satria be fitiavana.

2. Efa manjaka Kristy. Akaiky ny farany,

Ka horavana ity tontolo ity.

Ny vaovao tsara ambarao, ’Zay no asa maika izao.

Jehovah hiaro izay miandany aminy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Inona moa no fitahiana

Hoentin’ilay Fanjakana?

Ny zava-tsoa sy fifaliana

Ao amin’ny Paradisa.

Derao Jehovah Mpanjaka,

Satria be fitiavana.

3. Jehovah no ankalazao, Izy hankasitraka anao.

Koa manompoa ao an-tempoly hatrany.

Efa mitondra izao Ilay Mpanjaka vaovao,

’Zao rehetr’izao no hankatò ny fahefany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Inona moa no fitahiana

Hoentin’ilay Fanjakana?

Ny zava-tsoa sy fifaliana

Ao amin’ny Paradisa.

Derao Jehovah Mpanjaka,

Satria be fitiavana.