Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 41

Manompoa An’i Jehovah, ry Tanora!

Manompoa An’i Jehovah, ry Tanora!

(Mpitoriteny 12:1)

1. Jehovah tia anareo, ry tanora,

Miaro anareo isan’andro, isan’ora.

Asainy miahy anareo izahay,

Namana, zoky, na reny sy ray.

2. Hajao hatrany ny ray aman-dreny,

Ka henoy tsara izy rehefa miteny.

Hankasitrahan’i Jehovah ianao,

Hahita soa amin’ny fiainanao.

3. Ilay Mpamorona tsarovy koa,

Ny fahamarinana raiso am-po.

Ka ny hanompo azy re no fidio.

Jehovah Tompo no ampifalio.