Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 75

Maro ny Antony Mahafaly Antsika

Maro ny Antony Mahafaly Antsika

(Matio 5:12)

1. Ny anton’ny fifaliantsika

Dia maro tokoa raha jerena,

Toy ireo zava-tsarobidy

Avy amin’ireo firenena.

Ny fampianaran’ny Baiboly

Raisintsika isan’andro koa

Manatanjaka ny finoana,

Ka tena mampifaly fo.

Fifaliana tsy mety lefy

Toy ny afo mirehitra izany,

Ka na dia voasedra isika,

Tsy kivy fa miaritra ihany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah no fifaliantsika,

Ny toetrany tena tiantsika.

Ny asany sy ny fahendreny

Maharavoravo antsika.

2. Endrey ny hakanton’ny voary,

’Zay mahafinaritra erỳ!

Asa tanan’ilay Nahary,

Misaora azy ka mihobia.

Mahafaly koa ny fitahiana

’Zay hoentin’ilay Fanjakana.

Mahasambatra ny fitoriana,

Mamelona fanantenana.

Tsy ho ela koa ny Paradisa,

Ny andro hibaliaka indray.

Ho faly sy ravo isika,

Ho sambatra mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah no fifaliantsika,

Ny toetrany tena tiantsika.

Ny asany sy ny fahendreny

Maharavoravo antsika.