Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 56

Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

(Salamo 54)

1. Jehovah ô, ’zao hirako izao

Dia vavaka atolotro anao.

Lehibe tokoa ny anaranao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ray ô, henoy aho fa mitalaho.

2. Misaotra anao satria velon’aina,

Tantananao ka milamin-tsaina.

Mamiko erỳ ny fitiavanao!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ray ô, henoy aho fa mitalaho.

3. Ny tiako hatao dia ny tsara ihany.

Ampio re aho, omeo hery hatrany,

Fa sarotra ny fiainako izao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ray ô, henoy aho fa mitalaho.