Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 27

Miandania Amin’i Jehovah!

Miandania Amin’i Jehovah!

(Eksodosy 32:26)

1. Tena voafitaka isika taloha,

Tany amin’ny fivavahan-diso.

’Zao ’nefa isika dia faly tokoa,

Nandray ny marina am-po.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tia anao Jehovah,

Tsy handao anao.

Koa aok’izy ’rery

No hiandanianao.

Ilay Fanjakany,

Andeha ambarao.

Efa tsy ho ela

Ny tany vaovao.

2. Koa aok’àry ’sika, ry rahalahy,

Hiara-midera an’Andriamanitra,

Fa ny anarany no masina.

Ambarao ny marina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tia anao Jehovah,

Tsy handao anao.

Koa aok’izy ’rery

No hiandanianao.

Ilay Fanjakany,

Andeha ambarao.

Efa tsy ho ela

Ny tany vaovao.

3. Na dia mandrahona i Satana

Ka mihamaro ny mpanohitra,

Isika kosa tsy matahotra,

Matoky an’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tia anao Jehovah,

Tsy handao anao.

Koa aok’izy ’rery

No hiandanianao.

Ilay Fanjakany,

Andeha ambarao.

Efa tsy ho ela

Ny tany vaovao.