Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 53

Miara-miasa sy Miray Saina

Miara-miasa sy Miray Saina

(Efesianina 4:3)

1. ’Reo tia an’i Jehovah Ray

Dia vahoaka ’zay tafaray,

Miray saina sy miray fo,

Ka sambatra tokoa.

Koa ankamamio

Io fiadanana io.

Mbola be tokoa ny asantsika,

Kristy no mitarika antsika.

Aok’isika mba hankatò,

Hiara-miasa avokoa.

2. Koa satria iray ny fanahy,

Tiavo foana ireo rahalahy.

Aoka mba hifandray am-po,

Hifankatia kokoa.

Tena fitahiana

Ny firaisan-kina.

Mampahery antsika izany.

Koa miezaha hihavana hatrany,

Hiray saina, hiara-manompo

An’i Jehovah Tompo.