Hira 48
Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro
(Mika 6:8)
1. Raha manetry tena isika
Dia tantanan’i Jehovah Ray.
Izy mantsy tsara fanahy,
Tena tiany ’sika tsirairay.
Isika nanokan-tena
Hanao ny sitrapony,
Ka manompo amin’ny fo
Sy miara-mandeha aminy.
2. Ny tontolon’i Satana,
Tsy ho ela izao dia horavana.
Mety hatahotra isika,
Fa ho mafy koa ny fitsapana.
Eo foana anefa Jehovah,
Miaro izy, matokia.
Raha tena tia azy ’sika,
Tsy hivadika sanatria.
3. Ampian’i Jehovah isika,
Sy omeny fanahy masina.
Mampahery ny Baiboly,
Ary eo koa ny fiangonana.
Raha mivavaka isika
Dia henoiny hatrany.
Koa aoka ho tanjontsika
Ny hiara-mandeha aminy.
(Jereo koa ny Gen. 5:24; 6:9; 1 Mpanj. 2:3, 4.)