Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 15

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

(Salamo 19)

1. Jehovah ô, ny zavaboarinao

Dia mampiseho ny voninahitrao.

Miteny ’reo, na dia tsy misy feo,

Midera ny Mpamorona azy ’reo.

Miteny ’reo, na dia tsy misy feo,

Midera ny Mpamorona azy ’reo.

2. Voafehinao ny ranomasina,

Na ny masoandro, na ny volana.

Tena tianao ny olombelona,

Kanefa anie dia tsinontsinona.

Tena tianao ny olombelona,

Kanefa anie dia tsinontsinona.

3. Tianay ireo fampahatsiahivanao,

Madio sy marina ny didinao.

Ny Teninao tandremanay tokoa,

Fa tsara noho ny volamena soa!

Ny Teninao tandremanay tokoa,

Fa tsara noho ny volamena soa!