Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 106

Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

(Salamo 15)

1. Iza, Jehovah ô,

Iza no fidinao

Mba hivahiny ao an-tranonao?

Iza no namanao?

’Zay tia ny Teninao

Ary koa mino anao,

Tsy misy tsiny sy marina,

Mifikitra aminao.

2. Iza, Jehovah ô,

Iza no ekenao?

Iza no tianao ho namanao

Akaikin’ny fonao?

’Zay mankalaza anao,

Miaro ny anaranao,

Tsy mba mandainga, tsy mba tia tena,

Fa mankatò anao.

3. ’Zahay, Jehovah ô,

Mivavaka aminao.

’Zay ao am-ponay no lazainay

Eo anatrehanao.

Namana tsara ianao,

Tsara indrindra ho anay.

Fanirianay ny ho namanao,

Eny, mandrakizay.

(Jereo koa ny Sal. 139:1; 1 Pet. 5:6, 7.)