Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 118

Mifandraisa Tsara Ianareo

Mifandraisa Tsara Ianareo

(Romanina 15:7)

1. Jehovah no manasa antsika androany,

Mba hianatra momba ny lalàny.

Isika izao handray ny ranon’aina,

Koa samy tonga soa, eny, samy arahabaina!

2. Sambatra isika noho ireo rahalahy,

’Zay tia antsika sy tena miahy.

Koa mifandraisa tsara amin’ny fo,

’Reo vaovao ihany koa raiso an-tanan-droa.

3. Jehovah tsy manavaka tokoa,

Izay tso-po tiany avokoa.

’Sika rehetra notaomin’ny Ray,

Koa mifandraisa tsara amin’ny tsirairay.