Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 73

Mifankatiava Fatratra Amin’ny Fo

Mifankatiava Fatratra Amin’ny Fo

(1 Petera 1:22)

1. Mifankatiava amin’ny fo,

Tahaka ny mpiray tam-po.

Mifanajà bebe kokoa,

Ny lolompo esory.

Manahafa an’i Jehovah,

Tiavo avokoa ’reo rahalahy.

Aoka mba ho tsara fanahy,

Mahaiza miara-ory.

Tsy mihatsaravelatsihy

Isika rehefa tena tia.

Mba miantrà ka manampia

An’ireo ’zay mitaraina.

Aza resadresahina

Ny fahadisoan’ireo rahalahy.

Tandrovy ny fihavanana

Satria ny firaisan-tsaina,

Sarobidy ka ilaina.

2. Matokia an’ireo rahalahy,

Aza mifampiahiahy.

Manàna fahalemem-panahy,

Zava-dehibe izany.

Faly ’sika miara-mivory,

Tsy mba mifankahala akory.

Na misy aza manorisory,

Odio tsy hita hatrany.

Aza atao mahatezitra

Ireo teny tsy voahevitra.

Mahaiza mandefitra,

’Zay no atao hoe tena tia.

Ireo namantsik’aza afoy.

Ny toetra tsarany ifantohy.

Fitiavana no asehoy.

Jehovah anie be fitia,

’Ndao koa mba hifankatia.