Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 129

Mifikira Mafy Amin’ilay Fanantenana

Mifikira Mafy Amin’ilay Fanantenana

(Hebreo 6:18, 19)

1. Miezaka ny olona saingy tsy mahomby,

Ny fitondrany dia zava-poana ihany.

Samy mpanota ireo ka tsy mahavonjy,

Ho very maina ny fikasany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Lay Fanjakana no fanantenana.

Ho foana ny tahotra sy fisedrana.

Koa mifalia fa manjaka i Kristy!

’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!

2. Na toa maharitra aza ny fijaliana,

Ny andron’i Jehovah dia tsy ho ela intsony.

Izy hanaisotra ny fahoriana,

Koa derao izy ary ekeo ny zony!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

’Lay Fanjakana no fanantenana.

Ho foana ny tahotra sy fisedrana.

Koa mifalia fa manjaka i Kristy!

’Lay fanantenana aza afoy, sanatria!