Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 51

Mifikitra Mafy Amin’i Jehovah Isika

Mifikitra Mafy Amin’i Jehovah Isika

(Josoa 23:8)

1. Jehovah no mendrika ho Mpanjakantsika,

Fa izy tia rariny sady miahy antsika.

Ny teny lazainy tanteraka avokoa.

’Zay mifikitra aminy hamindrany fo.

Ny zony hitondra ekeo an-tsitrapo.

2. Tsy miangatra izy, manao izay mahitsy.

Ny lalany marina tsy mba miova mihitsy.

Koa manatona azy ny olona tso-po.

’Zay mifikitra aminy ho afa-po tokoa.

Hajao izy ka tompoy amin-jotom-po.

3. Tsy misy mahasakana izay nokasainy.

Tontosainy foana ’zay ampanantenainy.

Ny heriny mantsy tsy manam-paharoa.

’Zay mifikitra aminy handray valisoa.

Koa aza mivadika isan’andro koa.