Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 116

Mihamazava ny Lalantsika

Mihamazava ny Lalantsika

(Ohabolana 4:18)

1. Manjaka any an-danitra izao ny Mesia,

Hanavotra ny zavaboary.

Ny fanahy no nampahafantatra izany,

Ny marina niharihary.

Kanefa taloha tsy nambara izany,

Tsy fantatr’ireo mpaminany.

Koa sambatra isika satria mahalala,

Ny anjely aza liana am’izany!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mazava izao ny lalantsika,

Jehovah no mitarika.

Ny zavatra asehony antsika

Dia tena mahatalanjona.

2. Dia nisy mpanompo nasaina hanome

Sakafo tena ara-potoana.

Nitombo sy nazava ny marina,

Rehefa nandeha ny fotoana.

Tsy maizina intsony ny lalan-kaleha,

Vao mainka mazava izao.

I Jehovah no loharanon’izany,

Ka izy no ankasitraho.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mazava izao ny lalantsika,

Jehovah no mitarika.

Ny zavatra asehony antsika

Dia tena mahatalanjona.