Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 133

Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

(Zefania 2:3)

1. Mirehareha erỳ

Manohitra an’i Kristy,

Ireo firenena eto an-tany,

Kanefa ho ringana ihany.

Mifarana hatreo

Ny fotoana ho azy ’reo.

Ny Fanjakan’i Jehovah indray

No hitondra mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah no tadiavo izao,

Ny fahamarinany katsaho.

Ary manompoa

amin-jotom-po,

Matokia azy amin’ny fo.

Ny zony hitondra no hajao,

Hovonjeny ianao.

2. Ny olona avelao

Hifidy ’zay tiany hatao;

Na hihaino ireo na hanakiana,

Tohizo ny fitoriana.

Raha toa voasedra ianao

Ka mila tsy ho tantinao,

Dia aza mora mivadi-po,

Jehovah hanampy tokoa!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Jehovah no tadiavo izao,

Ny fahamarinany katsaho.

Ary manompoa

amin-jotom-po,

Matokia azy amin’ny fo.

Ny zony hitondra no hajao,

Hovonjeny ianao.