Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 67

Mivavaha Isan’andro

Mivavaha Isan’andro

(1 Tesalonianina 5:17)

1. Mivavaha fa Jehovah mihaino anao.

Masina ny anarany ka derao.

Izay tena ao am-ponao no resaho.

Matokia fa izy anie namanao.

Mivavaha isan’andro.

2. Mivavaha satria mbola velon’aina,

Misaora an’ilay Loharanon’aina.

Fantany ’sika fa vovoka ihany,

Ka tena ilaintsika ny famelany.

Mivavaha isan’andro.

3. Mivavaha raha toa misy mampanahy,

Satria eo anilanao Jehovah.

Koa matokia, aza mba mamoy fo.

Ray tena tia izy, miaro tokoa.

Mivavaha isan’andro.