Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 59

Nanokan-tena ho An’Andriamanitra Isika

Nanokan-tena ho An’Andriamanitra Isika

(Matio 16:24)

1. Matoa lasa mpianatr’i Kristy ’zao isika,

Dia Jehovah no nitaona antsika.

Mahasoa ny hazavany,

Izay mbola omeny ihany.

Ary ’sika mino izany,

Ka vonona handa tena hatrany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tena faly ’sika satria nanokan-tena,

Ary an-tsitrapo fa tsy noterena.

2. Nivoady isika tamin’i Jehovah Ray,

Tsy hivadika mandrakizay.

Ny anarany hatrany

No derao maneran-tany.

Ambarao ’lay Fanjakany.

Tombontsoa tokoa re izany!

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Tena faly ’sika satria nanokan-tena,

Ary an-tsitrapo fa tsy noterena.