Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 78

Ny Fahari-po

Ny Fahari-po

(Galatianina 5:22)

1. Jehovah saro-piaro

Amin’ny anarany lehibe,

Noho ireo mpanaratsy

Sy mpanakiana maro be.

Nandefitra anef’izy,

Ka naneho fahari-po

Sy niaritra hatrany,

Mbola mamindra fo.

Ny olona rehetra

Dia samy tiany hovonjena.

Tsy sasatra Jehovah,

Fa miandry sady manantena.

2. Tahafo àry Jehovah,

Ianaro ny fahari-pony.

Ho tony foana isika,

Tsy mora tezitra intsony.

Na diso aza ny hafa,

Dia ’zay tsara no jereo.

Raha misy mahakivy,

Ny fo ampitoneo.

Raha toa voasedra isika,

Handanjalanja foana ihany,

Hahari-po hatrany;

Vokatry ny fanahy izany.