Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 105

Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra

Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra

(Salamo 19)

1. Ny lanitra midera anao, Jehovah.

Ny andro tsirairay mba kanto aok’izany!

Ny alina dia maneho ny hatsarany.

Mihoby ’reo ka mampiseho Ny herinao hatrany.

2. ’Reo didinao dia tena lavorary,

Mandray soa avokoa, na lehibe na kely.

Ny teninao tsy foinay velively.

Ny lalànao, ny hevitrao, Dia mamy toa tantely.

3. Madio tokoa ny fahatahorana anao.

Ireo fitsipikao mahasoa mandrakizay,

Toa volamena, sarobidy aminay.

Ny anaranao, ny lazanao, Hasandratray, ry Ray.