Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 8

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

Ny Sakafo Harivan’ny Tompo

(Matio 26:26-30)

1. Misaotra anao ’zahay, Jehovah,

Amin’izao alina izao.

Tsaroanay ankehitriny ilay Paska fahiny

Nataon’Israely olonao.

Tsaroanay ilay zanak’ondry

Tamin’ilay fankalazana.

Toa azy iny Kristy, satria maty izy ny

Efatra ambin’ny folo Nisana.

2. Indreto izahay, Jehovah,

Hidera ny anaranao;

Fa tia anay ianao ka dia nirahinao

Hamonjy anay ny Zanakao.

Ny ohatra tsara nomeny

No mbola hotahafinay.

Izahay hankatò mba handray valisoa

Dia ny fiainana mandrakizay.