Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 61

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

(2 Petera 3:11)

1. Inona, Jehovah, no havaliko anao

Noho ny soa rehetra ’zay efa nataonao?

Ny Teninao moa no fitaratry ny foko,

Iriko ny hanitsy ’zay fahadisoako.

Izaho efa nivoady hanompo anao ’rery,

Kanefa an-tsitrapo fa tsy natao an-tery.

Ny hampifaly anao no mba faniriako.

’Zay no fomba fiaina efa nofidiko.

2. Ampio aho, Jehovah, mba handini-tena.

Asehoy ahy tsara ny lalàm-pahendrena,

Satria ’zay mahitsy sy tsy mivadika ihany

No sitrakao ary tahinao hatrany.