Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 64

Raiso ao Am-ponao ny Fahamarinana

Raiso ao Am-ponao ny Fahamarinana

(Ohabolana 3:1, 2)

1. Ny fomba fiaina tsara indrindra ho anao

Dia ny fahamarinana ihany.

Jehovah ’nefa manome safidy anao,

Matokia fa mahasoa izany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Raiso ao am-ponao

Izay marina renao,

Dia hamaly soa

Jehovah Rainao.

Tsy hanenina ianao!

2. Tsy ho very maina ireo ezaka ataonao

Hanompoana ilay Fanjakana;

Fa ny hoavinao dia tontolo ’ray vaovao,

Paradisa feno hatsarana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Raiso ao am-ponao

Izay marina renao,

Dia hamaly soa

Jehovah Rainao.

Tsy hanenina ianao!

3. I Jehovah anie tia anao satria Rainao,

Mitarika anao sady miaro.

Raha manaiky ny hotantanany ianao

Dia handray fitahiana maro.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Raiso ao am-ponao

Izay marina renao,

Dia hamaly soa

Jehovah Rainao.

Tsy hanenina ianao!