Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 134

Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

(Apokalypsy 21:1-5)

1. Saintsaino ange ny fiainanao

Ao amin’ilay tontolo vaovao!

Saintsaino ny fiadanana ao.

Ahoana re no ho tsapanao?

Ny ratsy dia tsy hisy ’ntsony,

Satria Jehovah nandray ny zony.

Haverina ho paradisa ny tany.

Hirao sy derao àry ’lay nahatonga izany:

(AVERINA ISAN’ANDININY)

“Jehovah Rainay, endrey ny asanao!

Vaovao ny tany noho ’lay Zanakao.

Ny hira asandratray dia avy ao am-ponay.

Ny haja sy dera ho anao mandrakizay!”

2. Saintsaino indray izaho sy ianao,

Ao amin’ilay tontolo vaovao!

Izay jerena dia mampitony,

Satria ny tahotra tsisy ’ntsony.

Tanteraka ’zay nokasainy,

Eo amintsika ny tranolainy.

Ireo nodimandry hatsangany koa,

Ka hiara-misaotra sy hihira amin’ny fo:

(AVERINA ISAN’ANDININY)

“Jehovah Rainay, endrey ny asanao!

Vaovao ny tany noho ’lay Zanakao.

Ny hira asandratray dia avy ao am-ponay.

Ny haja sy dera ho anao mandrakizay!”