Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 21

Sambatra ny Mamindra Fo!

Sambatra ny Mamindra Fo!

(Matio 5:7)

1. Ny olona mamindra fo,

Ho sambatra sy handray soa!

Lazainy amin’ireo tso-po

Fa Jehovah mamindra fo.

Nomeny ho an’ny olona

Ny vidim-panavotana.

Koa maty ho antsika Kristy,

Namonjy ny mpanota izy.

2. Ireo ’zay tia mamindra fo

Dia hamindrana fo tokoa.

Hahazo fitahiana izy,

Havela ny fahotany.

Toriny amin’ny olona

Ny Tenin’Andriamanitra.

Hoy izy ’reo hoe: “Mifalia,

Efa manjaka i Kristy.”

3. Raha tia mamindra fo ianao

Dia tsy mba hatahoranao

Ny fitsaran’i Jehovah,

Satria ianao tsara toetra.

Modely ho antsika tokoa

Jehovah sy Kristy Tompo.

Koa aok’ianao hamindra fo,

Miezaha hatrany isan’andro.