Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 100

Tafik’i Jehovah Isika!

Tafik’i Jehovah Isika!

(Joela 2:7)

1. Ny tafik’i Jehovah

Dia mafana fo,

Ka feno fahasahiana

Sy mazoto avokoa.

Isika tsy resin’ny

Tetik’i Satana,

Vonona hitory

Ilay Fanjakana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ny tafik’i Jehovah

Dia mandroso hatrany,

Faly manambara

Ilay Fanjakany.

2. Tadiavintsika foana

Ireo ondry very,

’Zay ory sy mijaly

Ary koa manirery.

Karohy izay mendrika

Eny am-pitoriana,

Asao izy ’reny

Ho any am-pivoriana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ny tafik’i Jehovah

Dia mandroso hatrany,

Faly manambara

Ilay Fanjakany.

3. Kristy mibaiko antsika,

Raiso ny fiadiana.

Vonona hatrany ’sika,

Hiaro ny fahitsiana.

Hisy zava-tsarotra

Nefa aza manahy.

Aoka mba ho mailo,

Tsy hivadika.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ny tafik’i Jehovah

Dia mandroso hatrany,

Faly manambara

Ilay Fanjakany.