Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 50

Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

(1 Jaona 4:19)

1. Jehovah tokoa tena tia antsika

Hatrizay

Hatrizay.

Io fitiavana io no tahafintsika

Mandrakizay,

Mandrakizay.

Toetra tsara io ka tena ilaina,

Satria mahasoa sy mampiray saina,

Mandrisika anao hiasa tsy halaina.

Mahasambatra

Ny fitiavana.

2. Ireo rahalahy dia tena tiantsika

Avokoa,

Avokoa.

Mahay mifandray, mifanampy ’sika,

Amin’ny fo,

Amin’ny fo.

Mba karakarao, tohano izy ’reny,

Anehoy fitia, aza avela irery.

Hadinoy izay fahadisoana kely.

Mandefitra

Ny fitiavana.

3. Raha tsapanao fa tia an’i Jehovah

Ny fonao,

Ny fonao,

Tompoy izy ka ankatoavy foana,

Ankalazao,

Ankalazao.

Hajao izy ka ekeo ny lalàny.

Andeha ambarao ilay Fanjakany.

Ny fanompoanao tohizo hatrany.

Tsy levona

Ny fitiavana.