Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 20

Tahio ny Fiarahanay Mivory

Tahio ny Fiarahanay Mivory

(Hebreo 10:24, 25)

1. Mba tahio ny fivorianay,

Ry Jehovah Tomponay.

Ny fanahinao mahery,

Arotsahy aminay.

2. Ampianaro anay, Jehovah,

Ny Teninao Masina.

Ampio ’zahay mba hitory

Sy haneho fitiavana.

3. Ray malala ô, tahio ’zahay,

Omeo ny fiadananao.

Enga anie izay ataonay,

Mba ho voninahitrao.