Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 29

Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika Aho

Tapa-kevitra ny Tsy Hivadika Aho

(Salamo 26)

1. Mba tsarao aho, ry Andriamanitro,

Fa tsy mivadika, matoky anao tokoa.

Jehovah ô, ny fiainako tahio.

Fantaro sy diniho ny foko mba hadio.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho kosa Dia tapa-kevitra

Ny tsy hivadika Amin’i Jehovah.

2. Tsy mba tiako ireo mpamitaka,

Tsy ataoko namako izay tsy marina.

Arovy aho fa aza aringanao

Toy ny ratsy fanahy tsy mankatò anao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho kosa Dia tapa-kevitra

Ny tsy hivadika Amin’i Jehovah.

3. Jehovah ô, tiako ny tranonao,

Ka isan’andro aho hivavaka aminao.

Iriko izao ny mba hisaotra anao

Sy hanodidina ny alitaranao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho kosa Dia tapa-kevitra

Ny tsy hivadika Amin’i Jehovah.

(Jereo koa ny Sal. 25:2.)