Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 72

Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana

Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana

(1 Korintianina 13:1-8)

1. ’Reo toetra tsara ilaina avokoa,

Kanefa iray no lehibe kokoa:

Izany dia ny fitiavana,

Avy amin’ny fanahy masina.

Raha hendry sy be finiavana,

Fa tsy mba manam-pitiavana,

Dia tsinontsinona foana ihany.

Fitiavana no tafio hatrany.

2. Tsy ampy koa ny fahaizana,

Raha toa tsy misy fitiavana.

Ny ondry mantsy mila fiahiana,

Mandroso izy rehefa ampiana.

’Zay tia tokoa dia mahari-po,

Ka miaritra foana izay manjo.

Tsarovy fa ny fitiavana,

Mandrakizay, tsy mba levona.