Hira 90
Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo
1. Tombontsoa ny manana
An’ireo be taona.
Tsy mivadika izy ’reo,
Mampahery foana.
Ao ’reo osa na marary,
Ao ny maty vady.
Ray ô, hatanjaho re izy,
Tsy hanahy ny hoavy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ny finoany, ry Ray,
Tsy hadinonao.
’Zay nataony hatrizay,
Tena sitrakao!
2. Amin’i Jehovah Ray
Dia tsara tarehy
’Reo be taona izay tia azy,
Ka tsy foiny re.
Tamin’izy ’reo tanora,
Feno zotom-po.
Tsaroanay ny fanompoany,
Maminay tokoa.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ny finoany, ry Ray,
Tsy hadinonao.
’Zay nataony hatrizay,
Tena sitrakao!
(Jereo koa ny Sal. 71:9, 18; Ohab. 20:29; Mat. 25:21, 23; Lioka 22:28; 1 Tim. 5:1.)