Hira 54
Tsy Maintsy Manam-pinoana Isika
1. Nitondra ny tenin’i Jehovah
Ireo mpaminany fahiny.
Ny Zanany kosa no ampiasainy,
Irahiny ankehitriny.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ny finoana no tena ilaina,
Izay no mamonjy ny aina.
Porofoy amin’ny atao
Fa velona tokoa ny finoanao.
2. Mandidy ny mpianany ’zao Kristy,
Hanambara ilay Fanjakany.
Miteny amim-pahasahiana izy ’reo,
Mitory maneran-tany.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ny finoana no tena ilaina,
Izay no mamonjy ny aina.
Porofoy amin’ny atao
Fa velona tokoa ny finoanao.
3. Toy ny vatofantsika ny finoana,
Mafy orina raha tsy mihena.
Tsy mihemotra isika, na dia tsy mora.
Akaiky ny famonjena!
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ny finoana no tena ilaina,
Izay no mamonjy ny aina.
Porofoy amin’ny atao
Fa velona tokoa ny finoanao.
(Jereo koa ny Rom. 10:10; Efes. 3:12; Heb. 11:6; 1 Jaona 5:4.)