Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 18

Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

(Isaia 55:1-3)

1. Tsy miova Jehovah,

Izy dia fitiavana;

Nahafoy ny Zanany

Mba hamonjy ny olony,

Ka ho lavorary ’ndray,

Hiaina ho mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ranon’aina tena soa

No omen’i Jehovah,

’Zay tsara fanahy tokoa

Sy be fitiavana.

2. Tsy miova Jehovah,

Tena be fitiavana.

Notendreny i Kristy

Mba hitondra ny tany,

Ka hanatanteraka

’Zay kasainy rehetra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ranon’aina tena soa

No omen’i Jehovah,

’Zay tsara fanahy tokoa

Sy be fitiavana.

3. Tsy miova Jehovah,

Fa tia antsika foana.

Aok’isika ihany koa

Hampahery ny tso-po.

Ampianaro izy ’reo,

Mba iantrao ’zay mitoreo.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ranon’aina tena soa

No omen’i Jehovah,

’Zay tsara fanahy tokoa

Sy be fitiavana.

(Jereo koa ny Sal. 33:5; 57:10; Efes. 1:7.)