Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 6

Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

(Efesianina 6:18)

1. Jehovah Ray, Andriamanitray,

Ny anaranao no ankalazainay.

Ianao dia tsy mba miova tokoa,

Fa miantra sady mamindra fo.

Miantra sy mamindra fo,

Ianao tsy miova tokoa.

2. Lazao anay ’zay sitraponao,

Tena tianay ny fahamarinanao.

Ampianay koa ireo ondrinao,

Ekenay foana ny didinao.

Ekenay ny didinao,

Ampianay ny ondrinao.

3. Koa mba omeo fahendrena izahay,

Ny toetranao ampahafantarinay.

Ampio hifankatia ihany koa,

Sy hifamela amin’ny fo;

Hifamela amin’ny fo

Sy hifankatia kokoa.