Hira 68
Vavaky ny Torotoro Fo
1. Jehovah, mba henoy re aho
mivavaka aminao.
Maratra sy mangirifiry
ny ao anatiko ao.
Manjombona ny fiainako,
nafoy ’zay nantenaiko.
Mba omeo fampiononana aho
fa reraka ny aiko.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ampio re aho hahazaka izao.
Mba omeo toky, mba hatanjaho,
Fa ketraka aho ka miantso anao.
Jehovah ô, iantrao re aho.
2. Ny Teninao mampionona ahy
rehefa miady saina,
Mamoaka ny fihetseham-po
’zay tsy haiko lazaina.
Ampio foana aho hitraka
mba tsy hihena ny finoako,
Hatoky ny fitiavanao
’zay lehibe noho ny foko.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ampio re aho hahazaka izao.
Mba omeo toky, mba hatanjaho,
Fa ketraka aho ka miantso anao.
Jehovah ô, iantrao re aho.
(Jereo koa ny Sal. 42:6; 119:28; 2 Kor. 4:16; 1 Jaona 3:20.)