Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 122

Vavolombelona Maro

Vavolombelona Maro

(Apokalypsy 7:9, 10)

1. Vavolombelona maro

Manompo amin’ny fo,

Midera an’i Jehovah,

Mpirahalahy tokoa.

Vahoaka be isika,

An-tapitrisa izao;

Samy hafa foko sy firenena,

Nefa tsy mifandao.

2. Vavolombelona maro,

Mpitory maro be,

“Mitondra vaovao tsara”

Ho an’izay te handre.

Raha sendra kivy isika

Na reraka indraindray,

Jesosy mamelombelona,

Ka mankahery indray!

3. Vavolombelona maro

Manao ny marina,

Mijoro eo an-tempoly

Andro aman’alina.

Isika manambara

’Lay Fanjakana hatrany,

Mpiara-miasa amin’i Jehovah,

Manompo eto an-tany.