Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 31

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

Vavolombelon’i Jehovah Isika!

(Isaia 43:10-12)

1. Manao sampy ny olona,

Mandà an’i Jehovah,

’Lay Mahery Indrindra

Sy Mpamorona.

Tsisy Andriamanitra,

Ankoatra an’i Jehovah,

Mahay mamonjy ny olony

Sy manambara ny hoavy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aza mba matahotra,

Mitoria ny marina.

Vavolombelon’i Jehovah,

’Zay no anarantsika.

2. Ny anaran’i Jehovah,

Tokony harovana.

Ilay Fanjakany,

Ambarao foana.

Lazao fa manafaka

Ny fahamarinana.

Handroso ireo mpandefitra,

Hidera an’Andriamanitra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aza mba matahotra,

Mitoria ny marina.

Vavolombelon’i Jehovah,

’Zay no anarantsika.

3. Tsy maintsy tanteraka

’Zay lazain’i Jehovah.

Koa ampitandremo

Ny mpanohitra.

’Reo tena mibebaka,

Ho voavela heloka

Ary hahita fiadanana

Sy fiainana maharitra.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Aza mba matahotra,

Mitoria ny marina.

Vavolombelon’i Jehovah,

’Zay no anarantsika.