Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira 86

Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

(Romanina 16:2)

1. Estera, Saraha, Rota, na i Maria

Dia tsara toetra sy feno fahendrena.

Vehivavy maro koa no nahafoy tena.

Ny anarany na dia tsy nolazaina,

Tsy hadinon’i Jehovah izy ’reo,

Ary ny finoany dia tsy mba very maina.

2. Modely ho antsika rehetra izy ’reo,

Satria tsara fanahy sy mahery fo.

Ianareo anabavy ankehitriny koa,

Sarobidy aminay ’zay ataonareo.

Na ny toetra na ny fanompoana,

Mendri-piderana, ka sambatra ianareo.

3. Ianareo reny, vady, na zanakay,

’Reo maty vady sy ’reo zatovovavy,

Jehovah tia anareo, ry anabavy!

Miasa mafy ianareo ary mankatò,

Sady maotina, malemy paika.

Mendrika anareo ny hahazo valisoa!