Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao Tanjona Amin’izay Aho

Hanao Tanjona Amin’izay Aho

Haka:

  1. 1. Mba tsy zazakely intsony aho,

    Fa efa niampy taona iray.

    Dia efa mba te hiezaka aho

    Hanao tanjona am’izay.

    Hihira mafy sy hamaly aho,

    Ary hanadio ny Efitrano.

    Dia hinamana am’ireo be taona

    Sady hamangy azy any an-trano.

    (FIVERENANA)

    Dia hiezaka ny handroso aho,

    Hanao tanjona iray.

    Dia hiezaka ny handroso aho,

    Hanao tanjona indray.

  2. 2. Efa mianatra mitory aho

    Dia tsy matahotra miteny,

    Efa mamaky andinin-teny,

    Fa ’zay tsy hay atao tsianjery.

    (FIVERENANA)

    Dia hiezaka ny handroso aho,

    Hanao tanjona iray.

    Dia hiezaka ny handroso aho,

    Hanao tanjona indray.